<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Finaritra ny olonao
 Jesosy Tompo ô !
 Fa manana ny aim-baovao
 Ka ravo eram-po.
 Ny famonjena vitanao
 Dia efa voaray izao.
 Ny fifaliany atý.
 Hitohy hatrarý.

[V2]
 Izaho va Jesosy ô,
 Mba isan'ny Anao ?
 Ny solika fitaziako
 Moa misy va izao ?
 Hevero ry fanahiko,
 Ka aza mety afa-po
 Ambara-pahafantatrao
 Fa Jeso no anao.</lyrics>
<title>Finaritra ny olonao, FFPM332</title>
<hymn_number>332</hymn_number>
</song>